8. Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran'i Farao tamin'ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin'i Farao.
9. Dia niteny tamin'i Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako:
10. Farao dia tezitra tamin'ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin'ny tranon'ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo.
11. Ary nanonofy izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay avy izahay.
12. Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.
13. Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin'ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony.