Genesisy 41:49-57 Malagasy Bible (MG1865)

49. Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa.

50. Ary nisy zazalahy roa naterak'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, tamin'i Josefa, raha tsy mbola tonga ny taona mosarena.

51. Ary ny anaran'ny lahimatoa dia nataon'i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon'ny raiko.

52. Ary ny anaran'ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin'ny tanin'ny fahoriako.

53. Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin'ny tany Egypta;

54. dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain'i Josefa; ary nisy mosary tany amin'ny tany rehetra; nefa eran'ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany.

55. Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin'i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin'ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin'i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy.

56. Ary ny mosary dia tany amin'ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin'ny Egyptiana.

57. Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin'i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin'ny tany rehetra.

Genesisy 41