23. Ary hoy Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.
24. Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an'i Lameka.
25. Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon'i Abela, satria novonoin'i Kaina izy.
26. Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.