Genesisy 4:19-26 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran'ny anankiray Ada, ary ny anaran'ny anankiray Zila.

20. Ary Ada niteraka an'i Jabala; izy no rain'ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman'ondry.

21. Ary ny anaran'ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra.

22. Ary Zila kosa niteraka an'i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin'i Tobala-kaina dia Nama.

23. Ary hoy Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila รด, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.

24. Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an'i Lameka.

25. Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon'i Abela, satria novonoin'i Kaina izy.

26. Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.

Genesisy 4