1. Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
2. Ary Jehovah nomba an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay Egyptiana tompony izy.
3. Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy.
4. Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.