Genesisy 38:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.

2. Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kana­nita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.

3. Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.

4. Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.

5. Dia nanan'anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany natao­ny hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela.

6. Ary Joda naka vady ho an'i Era lahimatoany, Tamara no anarany.

7. Fa ratsy fanahy teo imason'1 Jehovah Era, lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy.

8. Ary hoy Joda tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.

9. Ary fantatr'i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny rahalahiny.

10. Ary ratsy teo imason'i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.

Genesisy 38