Genesisy 36:8-12 Malagasy Bible (MG1865)

8. Koa nonina tany an-tendrombohitra Seira Esao. (Edoma izany).

9. Ary izao no taranak'i Esao, rain'ny Edomita any an-tendrombohitra Seira:

10. Ny anaran'ny zanakalahin'i Esao dia izao: Elifaza, zanak'i Ada, vadin'i Esao, sy Regoela, zanak'i Basemata, vadin'i Esao.

11. Ary ny zanakalahin'i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.

12. Ary Timna no vaditsindranon'i Elifaza, zanakalahin'i Esao; ary niteraka an'i Amaleka tamin'i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin'i Ada, vadin'i Esao.

Genesisy 36