Genesisy 36:25-32 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary izao no zanak'i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin'i Ana.

26. Ary izao no zanakalahin'i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.

27. Ary izao no zanak'i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.

28. Ary izao no zanak'i Disana: Oza sy Arana.

29. Ary izao no loham-pirenena tamin'ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny

30. sy Disona loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin'ny tany Seïra.

31. Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely:

32. Nanjaka tany Edoma Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany.

Genesisy 36