Genesisy 36:21-29 Malagasy Bible (MG1865)

21. sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny taranak'i Seïra, tany amin'ny tany Edoma.

22. Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin'i Lotana.

23. Ary izao no zanakalahin'i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.

24. Ary izao no zanakalahin'i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin'i Zibona rainy izy).

25. Ary izao no zanak'i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin'i Ana.

26. Ary izao no zanakalahin'i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.

27. Ary izao no zanak'i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.

28. Ary izao no zanak'i Disana: Oza sy Arana.

29. Ary izao no loham-pirenena tamin'ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny

Genesisy 36