4. Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i Edoma.
5. Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no tenin'i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin'i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny;
6. ary manana omby sy boriky sy ondry aman'osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao.
7. Dia niverina tany am.in'i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.
8. Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin'ny ondry aman'osy sy ny omby ary ny rameva;
9. fa hoy izy: Raha tafahaona amin'ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray.
10. Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr'i Abrahama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia hanao soa aminao Aho;
11. tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin'ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.
12. O vonjeo aho amin'ny tanan'ny rahalahiko, dia amin'ny tànan'i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin'ny vadiko aman-janako izy.
13. Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
14. Dia nitoetra teo izy tamin'iny alina iny; ary naka tamin'izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an'i Esao rahalahiny,
15. dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo
16. ary rameva telo-polo ampianahany, vantotr'ombivavy efa-polo sy vantotr'ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo.
17. Dia natolony teo an-tànan'ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko.