7. Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman'ondry; ampisotroy ny ondry aman'osy, dia andeha, andraso.
8. Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay.
9. Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman'osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.
10. Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny izy.
11. Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
12. Dia nambaran'i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
13. Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany.
14. Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
15. dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho karamanao.
16. Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny.
17. Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
18. Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
19. Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
20. Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.