Genesisy 29:15-26 Malagasy Bible (MG1865)

15. dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hano­mpo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho karamanao.

16. Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny.

17. Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.

18. Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.

19. Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.

20. Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.

21. Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko.

22. Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.

23. Kanjo nony hariva dia naka an'i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.

24. Ary nomen'i Labana an'i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.

25. Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?

26. Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny.

Genesisy 29