12. Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
13. Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama rainao sy Andriamanitr'Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
14. ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
15. Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.
16. Ary Jakoba nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
17. Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe : Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.