Genesisy 27:33-36 Malagasy Bible (MG1865)

33. Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.

34. Raha vao ren'i Esao ny tenin'ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky รด.

35. Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.

36. Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?

Genesisy 27