Genesisy 27:2-18 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;

3. koa ankehitriny, masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;

4. ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.

5. Ary Rebeka nandre an'Isaka niteny tamin'i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny.

6. Ary Rebeka niteny tamin'i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin'i Esao rahalahinao nanao hoe:

7. Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan'i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho.

8. Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko ataonao.

9. Mankanesa kely any amin'ny ondry aman'osy, ka analao zanak'osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an'ny rainao araka ilay tiany izany;

10. ary dia ho entinao any amin'ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.

11. Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa;

12. ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano.

13. Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho.

14. Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian'ny rainy.

15. Ary nalain-dRebeka ny fitafian'i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an'i Jakoba zanany faralahy.

16. Ary ny hoditry ny zanak'osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin'ny vozony;

17. dia natolony teo an-tànan'i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.

18. Ary Jakoba nankany amin'ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka?

Genesisy 27