Genesisy 27:19-28 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.

20. Ary hoy Isaka tamin'ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.

21. Ary hoy Isaka tamin'i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia.

22. Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tanana dia tànan'i Esao.

23. Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy.

24. Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.

25. Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.

26. Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.

27. Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i Jehovah.

28. Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.

Genesisy 27