1. Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
2. Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
3. koa ankehitriny, masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;