8. Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.
9. Ary Abimeleka dia niantso an'Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihitsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy.
10. Ary hoy Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin'ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao.
11. Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa.
12. Dia namafy tamin'izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin'izay taona izay, satria efa notahin'i Jehovah izy.
13. Ary nanan-karena ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra;
14. fa nanana fananana be izy, dia ondry aman'osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina.
15. Ary ny lavaka fantsakana rehetra, izay efa nohadin'ny mpanompon-drainy fony fahavelon'i Abrahama rainy, dia efa novonoin'ny Filistina sy nototofany tany avokoa.
16. Ary hoy Abimeleka tamin'Isaka: Miala atỳ aminay; fa ianao mahery lavitra noho izahay.
17. Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan'i Gerara ka nonina teo.
18. Dia noloaran'Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy, fa efa novonoin'ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.