Genesisy 26:30-35 Malagasy Bible (MG1865)

30. Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy.

31. Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin'Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy.

32. Ary tamin'izany andro izany dia avy ny mpanompon'Isaka ka nanambara taminy ny amin'ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.

33. Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran'ny tanĂ na hoe Beri-sheba mandraka androany.

34. Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an'i Jodita, zanakavavin'i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin'i Elona Hetita, izy.

35. Dia nangidy tamin'ny fanahin'Isaka sy Rebeka indrindra ireny.

Genesisy 26