Genesisy 25:20-25 Malagasy Bible (MG1865)

20. Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana.

21. Ary Isaka nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i Jehovah ny fangatahany, dia nanan'anaka Rebeka vadiny.

22. Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy.

23. Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.

24. Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.

25. Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapĂ´ty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.

Genesisy 25