Genesisy 24:65-67 Malagasy Bible (MG1865)

65. Ary hoy izy tamin'ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo : Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.

66. Ary dia nambaran'ilay mpanompo tamin'Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony.

67. Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.

Genesisy 24