Genesisy 24:49-62 Malagasy Bible (MG1865)

49. Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin'ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.

50. Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin'i Jehovah no nisehoan'izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.

51. Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin'ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain'i Jehovah.

52. Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah izy.

53. Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.

54. Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin'ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin'ny tompoko.

55. Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.

56. Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin'ny tompoko.

57. Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny.

58. Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin'io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.

59. Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon'i Abrahama mbamin'ny olony izy.

60. Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin'izay mankahala azy.

61. Ary niainga Rebeka mbamin'ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha.

62. Ary Isaka efa tonga avy tamin'ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin'ny tany atsimo izy.

Genesisy 24