Genesisy 24:14-26 Malagasy Bible (MG1865)

14. koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho : dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an'Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.

15. Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.

16. Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.

17. Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho.

18. Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.

19. Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.

20. Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin'ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an'ny ramevany rehetra izy.

21. Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin'i Jehovah ny nalehany, na tsia.

22. Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena iray, lanjan'ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo, hatao amin'ny tànany;

23. ary hoy izy: Zana-jovy moa ianao ? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon'ny rainao?

24. Ary hoy izy taminy: Zanakavavin'i Betoela, zanakalahin'i Milka, izay naterany tamin'i Nahora, aho.

25. Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa.

26. Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah,

Genesisy 24