1. Ary ny andro niainan'i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan'i Saraha.
2. Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin'ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an'i Saraha sy hitomany azy.
3. Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan'ny fatin'ny vadiny, dia niteny tamin'ny taranak'i Heta ka nanao hoe:
4. Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
5. Dia namaly an'i Abrahama ny taranak'i Heta ka nanao taminy hoe:
6. Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin'ny fasanay no andeveno ny fatin'ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin'ny vadinao.
7. Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan'ny taranak'i Heta tompon-tany,
8. dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin'ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin'i Efrona, zanak'i Zohara,