4. Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
5. dia niantso an'i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy.
6. Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;
7. ary hoy izy: Masìna ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.
8. Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin'ny tafon-tranoko izy.
9. Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin'ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an'i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.