Genesisy 19:30-38 Malagasy Bible (MG1865)

30. Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.

31. Ary hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin'ny tany hanambady antsika araka ny fanaon'ny tany rehetra;

32. andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin'ny raintsika.

33. Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin'iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany.

34. Ary nony ampitson'iny dia hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Indro, efa nandry tamin'ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin'ny raintsika.

35. Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin'iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany.

36. Dia samy nanan'anaka tamin-drainao ny zanak'i Lota roa vavy.

37. Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain'ny Moabita mandraka androany.

38. Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain'ny taranak'i Amona mandraka androany.

Genesisy 19