29. Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo.
30. Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.
31. ArY hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo.
32. Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.
33. Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin'ny fonenany.