Genesisy 16:2 Malagasy Bible (MG1865)

Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray.

Genesisy 16

Genesisy 16:1-4