Genesisy 15:4-9 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.

5. Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.

6. Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.

7. Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.

8. Ary hoy Izy: Jehovah Tompo รด, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho?

9. Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.

Genesisy 15