11. Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.
12. Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
13. Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
14. Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.