5. Ary Abrama nitondra an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka tonga tany amin'ny tany Kanana izy.
6. Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan'i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
7. Ary Jehovah niseho tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an'i Jehovah Izay niseho taminy.
8. Ary nifindra niala teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah.
9. Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin'ny tany atsimo.
10. Ary nisy mosary teo amin'ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin'ny tany.