Genesisy 11:29-32 Malagasy Bible (MG1865)

29. Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray; ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia Milka, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy rain'Iska.

30. Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.

31. Ary Tera nitondra an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.

32. Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.

Genesisy 11