Genesisy 11:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.

2. Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo.

3. Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.

4. Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanĂ na sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika.

Genesisy 11