Genesisy 10:15-19 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary Kanana niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta,

16. ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita

17. sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita

18. sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita.

19. Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.

Genesisy 10