Fitomaniana 4:2-14 Malagasy Bible (MG1865)

2. Indrisy! ny zanaka mahafinaritr'i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan'ny mpanefy tanimanga!

3. Na dia ny amboadia aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.

4. Ny lelan'ny zaza minono miraikitra amin'ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.

5. Izay nihinana zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin'ny jaky dia mandamaka eny amin'ny zezika.

6. Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok'i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,

7. Ny lehibeny dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.

8. Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin'ny taolany ka tonga maina toy ny hazo.

9. Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian'ny vokatry ny saha.

10. Ny tanan'ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin'ny fandringanana ny oloko zanakavavy.

11. Tanterahin'i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.

12. Ny mpanjakan'ny tany sy ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin'ny vavahadin'i Jerosalema.

13. Noho ny fahotan'ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran'ny marina tao aminy, no nahatongavan'izao.

14. Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.

Fitomaniana 4