Fitomaniana 4:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.

2. Indrisy! ny zanaka mahafinaritr'i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan'ny mpanefy tanimanga!

3. Na dia ny amboadia aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.

4. Ny lelan'ny zaza minono miraikitra amin'ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.

5. Izay nihinana zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin'ny jaky dia mandamaka eny amin'ny zezika.

6. Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok'i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,

7. Ny lehibeny dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.

Fitomaniana 4