Fitomaniana 3:50-56 Malagasy Bible (MG1865)

50. Ambara-pitazan'i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.

51. Ny masoko mampiditra fahoriana ho an'ny fanahiko noho ny amin'ny zanakavavin'ny tanànako rehetra.

52. Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.

53. Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.

54. Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity!

55. Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.

56. Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.

Fitomaniana 3