16. Ary notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny lavenona aho.
17. Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
18. Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah.
19. Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
20. Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
21. Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
22. Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
23. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
24. Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
25. Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy.
26. Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana.
27. Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
28. Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
29. Aoka hanohoka ny vavany eo amin'ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
30. Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
31. Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
32. Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony.