14. Tonga fihomehezan'ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
15. Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
16. Ary notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny lavenona aho.
17. Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
18. Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah.
19. Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
20. Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
21. Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
22. Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
23. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.