Fitomaniana 3:11-21 Malagasy Bible (MG1865)

11. Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.

12. Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.

13. Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin'ny voako Izy.

14. Tonga fihomehezan'ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.

15. Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.

16. Ary notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny lavenona aho.

17. Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.

18. Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah.

19. Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.

20. Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.

21. Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.

Fitomaniana 3