16. mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
17. Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
18. Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
19. Nefa manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka an'i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.
20. Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo.
21. Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an'i Jesosy Kristy;
22. izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin'ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.
23. Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.
24. Fa matoky ao amin'ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.
25. Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko.
26. Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.
27. Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.
28. Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho.
29. Koa raiso ao amin'ny Tompo izy amin'ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany;
30. fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.