7. ny taranak'i Eliama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
8. ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby sivin-jato;
9. ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
10. ny taranak'i Bany dia roa amby efa-polo amby enin-jato;
11. ny taranak'i Bebay dia telo amby roa-polo amby enin-jato;
12. ny taranak'i Azgada dia roa amby roa-polo amby roan-jato sy arivo;
13. ny taranak'i Adonikama dia enina amby enim-polo amby enin-jato;
14. ny taranak'i Bigvay dia enina amby dimam-polo sy roa arivo;
15. ny taranak'i Adina dia efatra amby dimam-polo amby efa-jato;