Ezra 2:26-34 Malagasy Bible (MG1865)

26. ny zanak'i Rama sy Gaba dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;

27. ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;

28. ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato;

29. ny zanak'i Nebo dia roa amby dimam-polo;

30. ny taranak i Magbisy dia enina amby dimam-polo amby zato;

31. ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;

32. ny taranak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato;

33. ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia dimy amby roa-polo amby fiton-jato;

34. ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;

Ezra 2