8. Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
9. Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no mamely.
10. Indro ny andro, indro mby akaiky iny! Miseho ny anjaranao. Mamonjy ny tsorakazo, manorobona ny avonavona!
11. Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny, na ny zava-mendrika eo aminy.