16. Ary na dia misy afa-mandositra aza, dia ho any an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.
17. Hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho rano ny lohalika rehetra;
18. Hisikina lamba fisaonana koa izy, ka ho menatra ny tava rehetra.
19. Ny volafotsiny dia harianay eny an-dalambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko, ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'ny Jehovah Tsy hahavoky ny fanahiny na hahafeno ny kibony izany, fa tonga fahatafintohinana mahameloka azy.
20. Fa ny firàvany tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.
21. Ary hatolotro ho babo eny an-tànan'ny hafa firenena izy, Eny, ho babo ho an'ny ratsy fanahy amin'ny tany, ka holotoin'ireny izy.
22. Dia hiamboho azy koa Aho, ka holotoiny ny rakitro; Fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.
23. Manefa gadra, fa efa feno fitsarana ny amin'ny fandatsahan-drà ny tany, ary feno fampahoriana ny tanàna.
24. Ka dia hitondra izay jentilisa ratsy indrindra Aho, ary ho lasan'ireny ny tranony; dia hatsahatro ny avonavon'ny mahery, ary ho lotoina ny fitoerany masina.
25. Ho avy ny fandringanana; ary hitady fiadanana izy, fa tsy hisy.
26. Mifanontona ny fandravana, ary mifanindry ny filazan-doza; Dia manontany fahitana amin'ny mpaminany izy, fa tsy misy lalàna intsony amin'ny mpisorona, na fahendrena amin'ny anti-panahy.
27. Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan'ny vahoaka; Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah.