1. Ary izao no anaran'ny firenena: Hatramin'ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin'ny lalana mankany Hetlona any akaikin'i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy eo avaratra, any anilan'i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an'i Dana.
2. Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an'i Asera.
3. Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an'i Naftaly.
4. Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Manase,
5. Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Efraima.
6. Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an? i Robena.
7. Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Joda.
8. Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian'ilay tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin'ny volotara ny sakany, ary ny lavany mitovy amin'ny anjaran'ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany.
9. Ny tany izay hatokanareo ho an'i Jehovah, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany.