Ezekiela 47:5-11 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.

6. Dia hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron'ny ony izy.

7. Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron'ny ony, dia teny an-daniny roa.

8. Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.

9. Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony.

10. Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin'ny Ranomasina Lehibe.

11. Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira.

Ezekiela 47