14. Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an'ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
15. Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin'ny Ranomasina Lehibe amin'ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin'i zedada,
16. dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan'ny faritanin'i Damaskosy sy ny fari-tanin'i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin'i Haorana.
17. Ary ny fari-taniny dia hatramin'ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary amin'ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
18. Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.