Ezekiela 47:13-20 Malagasy Bible (MG1865)

13. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa.

14. Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an'ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.

15. Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin'ny Ranomasina Lehibe amin'ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin'i zedada,

16. dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan'ny faritanin'i Damaskosy sy ny fari-tanin'i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin'i Haorana.

17. Ary ny fari-taniny dia hatramin'ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary amin'ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.

18. Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.

19. Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin'ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.

20. Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin'ny faritany ka hatrany akaikin'i Hamata. Izany no lafiny andrefana.

Ezekiela 47