12. Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
13. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa.
14. Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an'ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.